Ny Tendrombohitra Sinay na Tendrombohitra Sinaia dia ilay tendrombohitra lazain'ny Baiboly fa nandraisan'i Mosesy (na Moizy) ny didy folo avy tamin'Andriamanitra. Indraindray io tendrombohitra io dia atao hoe Tendrombohitra Horeba amin'ny andininy sasany ao amin'ny Baiboly. Ao amin'ny saikanosy Sinay ao Ejipta no misy ilay tendrombohitra izay foronina tangoron-karam-bato avo dia avo sady mivelatra saika mameno ny velaran'ilay saikanosy. Roa ny tendrony miavaka ao atsimon'ilay saikanosy, dia i Jebel Hatharina sy i Jebel Musa ka ity farany ity no heverina araka ny lovantsofina fa ilay toerana an'i Mosesy ny didy folo.
Misy ny mihevitra fa midika hoe "mirehitra" na "hafanana" izay mety mampahatsiahy ny Masoandro, fa ny hoe Sinay kosa dia mety avy amin'ny anarana hoe Sin, andriamanitra Volana nivavahan'ny Someriana, ka noho izany ny hoe Sinay sy Horeba dia mety ho ny tendrombohitry ny Volana sy ny Masoandro.
Araka ny lovantsofina rabinika dia avy amin'ny teny hoe sin-ah (שִׂנְאָה) izay midika hoe "fankahalana" io teny io ka mampahatsiahy ny fankahalan'ny firenena hafa mialona ny Israelita noho ny nahazoany ny tenin'Andriamanitra.
Ny soratra sasany ao amin'ny Baiboly dia mitantara ireo zava-nitranga ireo tao amin'ny Tendrombohitra Sinay (na Sinaia), na dia heverina ho anaran-toerana iray ihany ny hoe Horeba sy Sinay dia misy ny mihevitra fa toerana roa samy hafa ireo. Araka ny petra-kevitra ara-tahirin-kevitra dia vokatry ny tsy maha mpanoratra ny Pentateoka ( Genesý, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deoteronomia) ananomezan'Andriamanitra n'i Mosesy no nahatonga io tsy fitoviana io. Ny fandinihana nataon'ireo mpikaroka dia mikaza fa olona efatra samy hafa no nanoratra ny Pentateoka: ny roa (ny mpanofratra iahvista sy ny mpanoratra mpisorona) mampiasa hatranihatrany ny anarana hoe Sinay fa ny ny roa hafa mampiasa ny hoe Horeba, dia ireo atao hoe mpanoratra elohista sy ny mpanoratra deoteronomista.
Milaza ny literatiora rabinika fa antsoina amin'ny anarana hafa koa ny Tendrombohitra Sinay, dia ireto avy:
Ao amin'ny literatiora silamo koa dia ahitana filazana momba ny anarana hafa iantsoana ny Tendrombohitra Sinay:
Resahina ao amin'ny Bokin'ny Eksodosy ny Tany efitra (מִדְבַּר / Midbar) sy ny Tendrombohitra Sinay (עַל־הַר סִינָי/ 'Al-Har Sinai) (Eks. 19.1; Eks. 19.11).
Misy fampahatsiahivana ny tantara momba ny Tendrombohitra Sinay koa ny Epistily ho an'ny Galatiana ao amin'ny Testamenta Vaovao (Gal. 4:24-25).
Sarotra ampiraisina ny filazana ny toerana misy Tendrombohitra Sinay araka ireo soratra ao amin'ny boky samihafa ao amin'ny Baiboly.
Ny Bokin'ny Mpitsara dia manolo-kevitra fa ao amin'ny fari-tanin'i Edoma (Mpits. 5.24-25) izany fa tsy any amin'ny saikanosin'i Arabia izay ataon'ny lovantsofina fa ahitana azy.
Ny soratra sasany dia milaza an'i Paràna izay tokony mankany Egipta, araka ny Bokin'ny Genesý (Gen. 21.21): ny Boky voalohan'ny Mpanjaka (1Mpanj. 11.18) dia miresaka ny toerana iray any amin'ny lalana mankany madiana mankany Egipta ary mety manandrify ny oazisin'i Wadi Faran izay mitovitovy fanonona amin'i Paràna. I Faran dia ahitana ny tendrombohitra Jebel Serbal izay mety ho ny Tendrombohitra Sinay.
Ny Bokin'ny Deoteronomia dia mampitovy an'i Sinay amin'i Paràna izay hita eo akaikin'ny oazisin'i Qadesh (izay ampitovina amin'ny oazisin'i ʿEn el-Gederat ankehitriny) (Deo. 33.2) nefa ny mpanoratra Baiboly dia mety nanao tombantomban'ny manam-pahaizana momba ny toerana ahitana an'i Sinay fa tsy tamin'ny alalan'ny fahatsiarovana tranainy.
Ny Bokin'i Habakòka (Hab. 3.3) dia manambara koa fa i Iahveh (na Jehovah) dia avy amin'ny Tendrombohitra Paràna izay ampilaharina amin'i Temàna, anarana ilazana olona na foko iray ao amin'ny tetirazan'i Edoma, na koa nanaran-tany any amin'ny faritra arabo (Jer. 49.7,20)".
Ny toerana misy an'i Sinay tranainy dia zava-miafina hatramin'izao: ireo mpanoratra Baiboly dia tsy olona nanao ny asan'ny mpahay tantara fa mamelabenatra ny teolojian'ny tantara, ka mampahatsiahy fa i Iahveh no nahamasina ny tendrombohitra sasany na iray ao amin'ny tany efitry ny saikanosy arabika. Ho an'ny Hebreo dia any ampitan'ny Helodranon'i Aqaba i Arabia.